Nambaran’ny Dr Jean Louis Robinson omaly nandritra ny famoriam-bahoaka nataon’i Andry Rajoelina nanambarany ny haha kandida azy fa nahita olona tanora, tia tanindrazana, matahotra an’Andriamanitra, ary manana traikefa, efa matotra, ary hita ny natao hatrizay, ka mendrika ny hatao kandida.
Izahay ARMADA (Alliance Républicaine de Madagascar) hatramin’izay, dia efa nilaza foana fa hanohana kandida tokana sy iraisana. Izao vao azonay ambara ho ren-tany ho ren-danitra fa izahay dia manohana an’i Andry Rajoelina ho filoham-pirenena, hoy hatrany i Jean Louis Robinson. Tsiahivina hatrany fa kandida notohanan’ny Antoko Tiako I Madagasikara ny tenany tamin’ny 2013, ary laharana voalohany tamin’ny fihodinana voalohany ary resy tamin’ny isam-bato 46,51% tamin’ny fihodinana faharoa satria voalaza fa 53, 49% no azon-dRajaonarimampianina. Mitsimbadika tanteraka ny rasa amin’izao fotoana izao satria dia i Andry Rajoelina no isan’ny tena niady mafy sy nanao izay fomba rehetra nampandresena an-dRajaonarimampianina tamin’izany fotoana na tamin’ny fomba maloto io na madio. Samy manana ny safidy politikany anefa ny tsirairay, ary tsy atao mahagaga intsony eto amintsika ny fahavalo politika anio mety namana rahampitso, ary ny namana mety ho lasa fahavalo. Eo anatrehan’ny fitoriana nataon-dry Pety Rakotoniaina izay nitory an-dRajoelina fa tsy mendrika ho kandida, ny fahafantarako iny olona nametraka fitoriana iny izay tsy tononiko anarana, dia tsy mendrika ho azy tokoa ny hanaratsy an-dRajoelina. Ny zavatra nataony angamba tsy misy tsy mahalala, kanefa i Andry Rajoelina no nanala azy tany am-ponja, hoy kosa ny Jeneraly Camille Vital.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.