Tontosa ratsy ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana ho filoham-pirenena, hoy ny kandida Jean Jacques Ratsietison.
Nisy « délits de justices » be na fandikan-dalàna iny fifidianana fihodinana voalohany sy faharoa iny satria dia fitoriana an-jatony maro nolavina daholo. Rehefa tsy hita intsony izay holazaina dia hatramin’ny « jurisprudence » any Frantsa no alain-tahaka atao eto Madagasikara. Tena mampihomehy, hoy ny tenany. Ny tena loza dia ny resaka bileta tsy misy laharana na “numero de série” dia lazaina fa tamin’ny taona 2015 tamin’ny nanao kaominaly. Dia naninona tamin’ny taona 2018 no nasiana lalàna milaza fa tokony hisy laharana ireo biletà mba hampanankery azy ? Tamin’ny fihodinana voalohany aza niteny ny filohan’ny HCC hoe tsy hisy ny hosoka amin’ity satria misy laharana ireo bileta. Midika izany fa zava-dehibe ny fisian’iny. Io resaka io fotsiny dia efa antony tokony hanafoanana ny fifidianana. Tsy manaiky ny valim-pifidianana aho ary tsy mijery an’i Andry ho toy ny filoham-pirenena satria lany tamin’ny hosoka. Mila mandray andraikitra i Rivo Rakotovao satria “jurisprudence” tsy eto no noraisina. Diso ny filazan’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, Jean Eric Rakotoarisoa fa tsy manana fahefana amin’ny maha filoham-pirenena azy i Rivo Rakotovao. Ny lalàmpanorenana no manome fahefana azy rehefa misy ny “carence de pouvoir”. Dikan’izany dia izy no filoha faratampon’ny foloalindahy. Manam-pahefana hiteny ny HCC izy hoe tsy nanara-dalàna iny. Rehefa nisy ny fandikana ny andininy faha-120 ao amin’ny lalàna fehizoro 2018 – 008 hoe tsy nisy laharana ireo bileta tokana dia tokony hiteny izy hoe hampiharo ny lalàna. Na ny HCC aza tokony hiala amin’ny toerany. Ny praiminisitra indray ve izany izao no filoha faratampon’ny foloalindahy ? Tsy mitombina ny teny hoe “tsy azo ivalozana” rehefa mitranga ny tsy ara-dalàna.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.