Hivaly anio amin’ny fomba ofisialy amin’ny 10 ora maraina etsy Ambohidahy ny voka-pifidianana fihodinana voalohany ho filoham-pirenena teto Madagasikara.
Mitodika any amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC avokoa izany manomboka izao ny mason’ny rehetra. Naneho ny heviny ny fahitany izany ny kandida, Jean Jacques Ratsietison. Efa nangataka hatramin’ny ela izahay mba hasehon’ny HCC anay ireo bileta tokana tsy niasa tamin’iny fifidianana iny. 12 tapitrisa isa no bileta natonta. 4,5 tapitrisa no niasa. Nankaiza izany ireo 6 tapitrisa mahery ? Anay kandida ireny bileta ireny satria volanay tamin’ny alalan’ilay “caution” naloa no nanontana azy, hoy izy. Ho hita eo moa ny tohiny, hoy ity kandida ity, aorian’izay fanapahana ho avoakan’ny HCC rahampitso (TTF: anio).
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.