Politique

Jean Jacques Ratsietison Hamaha olan’ny firenena amin’ny didim-pitondrana


  • Alakamisy 16 Aogositra 2018

Kandida faha-10 tonga nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena tetsy amin’ny HCC Ambohidahy ny talata teo ny natolotry ny antoko politika Fahefa-Mividy izao no Ilain’ny Malagasy (FMI Ma), Jean Jacques Ratsietison.

Araka ny efa nambarany moa dia nentiny ihany koa ny taratasy fametraham-pialany raha toa ka lany ny tenany kanefa tsy mahatanteraka izay nampanantenainy. Nampatsiahiviny fa anisan’ireo fifamatorana ifanaovany amin’ny Malagasy raha sanatria tsy tanterany dia hampiala ho azy ny tenany ny hoe iray volana monja aorian’ny hitsanganan’ny governemanta dia hihena ho antsasany ny vidin’entana rehetra hafarana avy any ivelany. Didim-panjakana miisa 3 no hanatanterahana izany izay hanafoana ny tsena hifanakalozan’ny banky vahiny devizy eto amintsika na MID, hamerina ny taha-bola tsy miovaova ary hampiakatra 100% ny sandan’ny ariary. Herintaona aorian’izay, hoy izy, dia hidirana indray ny fifamatorana faharoa raha mbola tafajanona eo amin’ny fitondrana ny toerany. Izany hoe mbola hampidinina antsasa-bidy indray ilay efa nampidinina antsasa-bidy herintaona talohan’io. Raha tsy tanteraka izay dia miala aho, hoy hatrany ity kandida ity.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT