Tsy maintsy hajaina ny daty napetraky ny lalàmpanorenana, hoy ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) omaly,
raha nanontaniana ny mikasika ny datim-pifidianana nandritra ilay seminera fandravonana ireo atrisaka rehetra natao momba ny fifidianana hatramin’izay tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina. Azo atao ny mampandroso ny daty fa tsy azo atao kosa ny mampihemotra azy, hoy ny fanambarany. Efa tamin’ny 5 taona lasa, hoy izy, no fantatry ny rehetra fa tokony ho amin’io daty io ny fifidianana. Nomarihan’ny filohan’ny HCC moa fa anisan’ireo nodinihana omaly ny mikasika izay mety ho olana hitranga amin’ny fifidianana na ilay antsoina hoe “contentieux électoraux”.Ka ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana irery ihany no mandinika sy manapaka ny momba ny fifanolanana amin’ny fifidianana.Mazava ny resaka fa tsy andrakandrana intsony no atao eto fa efa tena ao anatin’ny zotram-pifidianana i Madagasikara; karazana valin-kafatra ihany ho an’ireo izay mety miketrika paikady hanemorana ny fifidianana ity nambaran’ny filohan’ny HCC omaly ity.Fiomanana no atao, ho avy ny fampielezan-kevitra, aoka samy hivonona amin’izany, ary tsy misy adihevitra hafa misokatra intsony raha fifidianana no resaka.Izay raha fintinina ny tiany ambara.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.