Tsy ny fitsarana no mifidy fa ny vahoaka. Hampanaja ny safidin’ny mpifidy ny fitsarana. Tsy misy afaka mihambo fa manana ny marina fa rehefa fifidianana dia ny antontan-taratasy ambany maso ihany no izy sy dinihana.
Mila miverina amin’ny maha Malagasy isika fa tsy milavo lefona eo anoloan’ny fanatontoloana, tsy maintsy miray hina isika fa tsy hivoaka mihitsy ny firenena raha mbola misy ny fitsitokotokoana sy fizarazarana ara-politika, ara-toekarena na ara-pivavahana. Harena ho antsika eto Madagasikara ny fananantsika ny faritra 22 sy ny fahasamihafantsika. Goavana sy makadiry ny asa natrehan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana nanomboka ny 21 desambra hatramin’ny omaly, hoy Atoa Jean Eric Rakotoarisoa. Niasa amin’ny maha mpitsara, teknisianina sy matihanina anay izahay mpitsara eto anivon’ny HCC, hoy izy. Tsy niaina teritery na nihaino ny resaka na mety ho tsindry tetsy sy teroa ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, hoy hatrany ny filohany fa dia niasa an-kalalahana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.