Nahitsy sy nazava tsara ny kabarin’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC ) Jean Eric Rakotoarisoa omaly taorian’ny fanononana ny voka-pifidianana ofisialy teny Ambohidahy.
Miandraikitra ny maha ara-dalàna sy mamoaka ny voka-pifidianana ny asan’ny HCC, hoy izy. Nanao fanisana sy fanaraha-maso, nijery ny fitoriana, nanitsy ny diso, nanarina ny lesoka, nisy ny fitadiavana ny voka-pifidianana tena marina. Vita iny ny dingana iray lehibe na dia nisy aza ny sakana sy fingampingana maro samihafa. Raha resaka fifidianana dia tsy misy ny fahagagana na mazia, hoy i Jean Eric Rakotoarisoa. Nampiseho fahamatorana sy fahendrena ny mpifidy tamin’iny fihodinana voalohany iny. Mila manao toy izany koa ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana, hoy izy. Nanao ny asany araka ny rariny sy ny hitsiny ny HCC, ny vahoaka no mifidy, notohizany fa hoe mila misintona lesona mikasika ny fihodinana voalohany isika, ny CENI sy ny mpifaninana. Tokony hisy fepetra raisina amin’ny fizarana ny karatry ny mpifidy, tohizana ny fanentanana sy fanabeazana ny mpifidy. Mpifaninana ianareo fa tsy mpifahavalo, samy Malagasy ary ny firenena dia iombonana, hoy ny teniny niantefa tamin’Atoa isany Rajoelina Andry sy Ravalomanana Marc ka ny iray no ho filohan’ny Malagasy rehetra. Fadio ny mety hampiady, hampisaraka, mandratra, ny mifampiantsy. Tezao ny mpomba anareo fa mila firaisankinan’ny Malagasy. Fa anisan’ny fanambarana nafonja nataon’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana omaly ny antso ho an’ny fitiavan-tanindrazana. Hoy indrindra izy : “ ireo izay mahalala ny tantaran’i Madagasikara, tantara tena izy fa tsy ny tantara ofisialy, dia mahafantatra tsara fa ity taona 2018 ity no tokony hamerenana ny hasim-piandrianan’ny Fanjakana Malagasy izay very sy novonoina ary nofafana tamin’ny fanjanahantany. Adidintsika ankehitriny, indrindra izay manantena hitondra ny tany sy ny fanjakana ny manatanteraka izany, ka asakasak’izay mitsivalana amin’izany fa masina ny tanindrazana.Mampitandrina ireo alaim-panahy miketrika sy handrehitra adim-poko, tsy azo leferina izany ary tsy maintsy mandray andraikitra amin’izany ny governemanta sy ny mpitandro filaminana.” Mazava ny valim-pifidianana, hoy i Jean Eric Rakotoarisoa, tsy mila korontana ny Malagasy. Manantena antsika rehetra hiroso milamina any amin’ny fihodinana faharoa, am-panajana ny soatoavina Malagasy. Ny mpifidy no tompon’ny teny farany. Anisan’ireo manampahaizana manana ny maha izy azy eto Madagasikara ity filohan’ny HCC ity. Ankoatra ny maha mpitsara, mpampianatra mpikaroka azy dia mpanao gazety ihany koa izy ary inoana fa mahalala zavatra matoa nanao fanambarana hentitra tahaka izao
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.