Tsy nihetsika hatramin’ny taona 1973 ny fotodrafitrasa fanazavana ny Kaominina renivohitr’Ambanja. Tsy azo notanterahina moa ity tetikasa fanazavana fokontany ity tao anatin’ny vanim-potoana nampamaivay ny krizy.
Nanapa-kevitra ny hanala ireo mponina ao anatin’ny haizina kosa ny mpitantana ny tanàna nanomboka tamin’ny taona 2011. «Fil VGV» hatreto no hampiasain’ny kaominina noho ny tsy fisian’ny fitaovana avy amin’ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy. Tanjona ny hanohy ny ezaka hampisitraka jiro ireo fokontany 15 mandrafitra ny kaominina, hoy ny kandida Ben’ny tanàna Tiako I Madagasikara Jaovanona Fety. Ezaka iray hafa tokony hotohizana ihany koa ny fampitaovana fahitalavitra iombonana ho an’ireo fokontany. Tsy ho latsa-danja ny fananganana fotodrafitrasa toy ny tobim-piantsonana sy ny tsena ary indrindra indrindra ny fanamboaran-dalana izay tena ilain’ny vahoaka, araka ny fanazavan’ny kandida TIM hifaninana ben’ny tanàna ao Ambanja.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.