Maro ny fanehoan-kevitra taorian’ny namelabelaran’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean ny fandaharanasa fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana. Nilaza ny solombavambahoaka voafidy teny Atsimondrano Randriarimalala Harijaona
na «Jaona Elite» fa mifanandrify tsara amin’ny andrasan’ny vahoaka ireo ventin-kevitra valo nambaran’ny praiminisitra. Hahazo tombony amin’izany Atsimondrano, izay iray amin’ireo Distrika efatra hanokafana tribonaly amin’ity taona ity. Eo koa ny fizarana zezika sy masomboly ho an’ny tantsaha, ny fanamboaran-dalana… “Irariana ny hahatanterahany», hoy i Jaona Elite ary “hanara-maso izany izahay depiote”. Mikasika ny resaka 4x4 ho an’ny solombavambahoaka indray dia nahitsy ny tenin’i Jaona Elite fa tsy manery ny depiote ary tsy misy ambadika na “chantage” fa ny tombontsoan’ny vahoaka aloha.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.