Politique

James Ratsima Hitory ireo karana namatsy vola ny fanonganam-panjakana


  • Zoma 09 Novambra 2018

Hitory ireo karana namatsy vola tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 Atoa James Ratsima, filohan’ny antoko hasandratro ny fireneko.

 

 

 

 Efa mivonona ho amin’izany ny tenako, hoy izy omaly satria niainga avy tamin’ny fanonganam-panjakana no nahapotika ny firenentsika tahaka izao. Ankoatra izay dia mbola namerina indray izy omaly fa tsy tokony hotanterahina iny fifidianana ho filoham-pirenena iny satria be dia be ny lesoka mbola narenina. Nasiany resaka ny fifamadihan’ny lisi-pifidianana tao Ambohitrimanjaka lasa tany amin’ny mponin’Alatsinain’Ambazaha,  ny fisian’ny hosoka be vava hita etsy sy eroa,  ny fahatapahan’ny jiro teny Atsimondrano efa nahatratra  in’enina nandritra ny fanisam-bato natao ny alarobia alina teo….Tsy hahagaga, hoy i James Ratsima raha tsy hisy hanaiky izay vokatra mety hivoaka eo ny rehetra. Nampahatsiahiviny fa tsy tokony hanaiky hobaikon’ny vahiny isika eto Madagasikara satria tompon’andraikitra eto amin’ny taniny ny Malagasy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT