Politique

JAMES RATSIMA “Ahemory ny fifidianana hisorohana ny ra latsaka”


  • Zoma 02 Novambra 2018

Tsy reraka ny profesora James Ratsima filohan’ny fikambanana Asandratro ny fireneko namerimberina fa tokony hahemotra ny fifidianana filoham-pirenena hisorohana ny mety hisian’ny ra latsaka.

 

  Tazoniko ho tompon’andraikitra amin’izany ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny CENI ary ny CFM, hoy izy raha toa ka mbola miziriziry manaiky ny baikon’ny vazaha ihany izy ireo. Nohamafisiny fa tsy ajanona akory ny fifidianana fa tokony hahemotra kosa hahafahan’ny  Malagasy rehetra mandamina ny raharahan-tokantranony no sady ialana amin’ny tetezamita vaovao izay tena tsy azo ekena intsony. Ankoatra izay dia lalana iray hahafahana manala ny Frantsay tsy hanjaka tokana eto amintsika ny fanemorana ny fifidianana ka rehefa voadaka eto amintsika izy ireo dia voadaka aty amin’ny Faritra Afrika iray manontolo. Nomarihin’ity filohan’ny fikambanana Asandratro ny fireneko ity moa fa tsy  mbola manana kandida hotohanana ny tenany saingy tsy maintsy hiteny kosa izy atsy ho atsy raha mbola mitohy izao zava-misy eto amin’ny firenena izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT