Politique

« Izany ka TIA TANINDRAZANA »


  • Talata 14 Oktobra 2014

Omaly alatsinainy manodidina ny tamin’ny 3ora maraina no tafaverina an-tanidrazana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Samy taitra teo am-pandrenesana ny vaovao ny rehetra, tamin’ny alalan’ny serasera amin’ny aterineto toy ny facebook sy ny twitter no niparitahan’ny vaovao voalohany. Tokony ho tamin’ny 9 ora maraina mahery 5 minitra no nigadona teny Faravohitra ny fiara 4x4 nitondra ny filoha Ravalomanana,

izay nihaona sy niresaka avy hatrany tamin’ireo vahoaka maro be efa tonga teny vao maraina niandry fatratra azy. Hafaliana sy fihetseham-po amin’ny endriny maro samihafa no hita teny, tsy niova i Dada : faly, nitsikitsiky hita fa vontom-pinoana sy feno fahatokisana, hentitra sy mahitsy fitenenana araka ny nahafantarana azy hatramin’izay.

Hanavotra ny firenena

Mazava ny hafatra ho an’ny vahoaka malagasy avy amin’i Marc Ravalomanana : « efa mampalahelo loatra ny fahantrana , tsy mitsiky intsony ny olona hita eny an-dalambe, hoy izy noho ny fahasahiranana sy ny adim-piainana.Tsy azo ekena izany, tonga aho hanova hampanana izay tsy mbola manana ary hampandroso an’i Madagasikara ». Aoka tsy horesahana ny fotoana nahatongavako sy ny fomba nidirako teto Madagasikara, hoy i Marc Ravaloanana, fa ny zava-dehibe dia tonga eto aho ary faly mifanatri-tava aminareo. Naveriny indray fa manaiky ny fodiany ireo firenena vaventy sy fikambanana iraisam-pirenena tahaka an’i Etazonia sy Frantsa ary ny vondrona eoropeanina, tahaka izany koa ny Nosy Maorisy mitantana ny COI sy i Tanzania. Omaly no nahafantarana fa i Tojo Ravalomanana no nihaona tamin’ny tompoan’andraikitra tany amin’ny Quai d’Orsay na ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Frantsay tany Paris, ary nanambara ireto farany fa tsy mitsivalana mihitsy amin’ny fodian-dRavalomanana eto Madagasikara. Ny vondrona eoropeanina aza dia nilaza mihitsy fa «Transition Bis», na tetezamita fanindroany no misy eto Madagasikara, hoy ingahy Ravalomanana ary tena tsy mahatoky izao fitondrana tsy lanim-bahoaka ara-drariny izao mihitsy ny sehatra raisam-pirenena. Filoham-pirenena aho no nesorina ka niala teo, tafaverina aho izao ka anjaran’ny vahoaka no mandinika ny tokony hataony, hoy i Marc Ravalomanana. Anontanio ny vahoaka fa tsy voatery hiandry ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 izany isika satria efa tena mijaly ny firenena, hoy izy.

Tsy matahotra …

Momba ny resaka 7 febroary kosa dia hentitra Atoa Ravalomanana raha nilaza fa efa resy tany amin’ny fitsarana tany Afrika atsimo ny AV 7 satria tsy ampy ny porofo, tsy matahotra ny hiatrika fitsarana mihitsy aho, hoy izy fa moa ve misy ny fitsarana mahafeno fepetra hitsara ahy eto ? Ho azy dia ny fanambarana ny marina rehetra no mandeha mialoha izay vao miresaka fampihavanana.Voaporofo indray omaly fa ambony dia ambony ny fitiavan-tanindrazan’ny filoha Marc Ravalomanana ary tena niavaka izy raha ampitahaina amin’ireo mpitondra rehetra nifandimby teto. Tsy nionona tamin’ny fiainana milamina tany am-pita fa tsy maintsy niverina teto Madagasikara, na inon-kidona na inon-kihatra satria efa nanoka-tena hanavotra an’ity firenena ity izy, araka ny toky nomen’ny vahoaka Malagasy nanomboka tamin’ny 2001.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT