Mihazakazaka ny toe-draharaha taorian’ny kabary feno tsikera sy tsindrom-paingotra miantefa amin’ny mpitondra mpanatanteraka nataon’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max nandritra ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza ny talata 5 mey lasa iny.
Raha ny tsiliantsofina re dia tsy levolevon’ny vavonin’ireo tandapa iny tranga iny ka dia andro aman’alina ny fanomanana ny setriny ary tonga hatrany amin’ny mety handravana ny Antenimieram-pirenena mihitsy. Nivoaka tamin’ny fehin-kevitry ny mpizaika tamin’ny fihaonambe nasionaly momba ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM natao teny Ivato ny 28 aprily ka hatramin’ny 2 mey lasa teo rahateo ny amin’io. Toa vao mainka manamafy izany ny fikoropahan’ireo olon’ny antokon’ny fitondrana matahotra ny ho very seza ka mitady namana hifanohana. Eo indray no teraka ny fikasan’ireo solombavambahoaka sasany hampiato amin’ny asany ny filohan’ny Repoblika. Voalaza mihitsy aza fa efa misy fanangonan-tsonia miafina mandeha any ho any, ary efa mananika ny 120 any ny voaangona hatry ny omaly. Hifampitana izany i Tsimbazaza sy Iavoloha, ka iza no ho tonga aloha ? Hanampy trotraka izany ny fitsipahan’ny maro ilay didim-panjakana 2015-630 nivoaka tamin’ny 7 aprily 2015, mandrara ny fametahana sary sy anarana amin’ny bileta tokana. Ireo kandida tsy miankina no tena lasibatra amin’io, ary tsy hatao mahagaga raha hamorona sary famantarana mitovitovy amin’ny an’ireo antoko matanjaka izy ireo, dia ho fanina ny mpifidy ary hifanjevo eto. Olana be ihany koa ny fitsabahan’ny minisiteran’ny Atitany, mitsara ny raharaha anatin’ny antoko, toy ny natao tamin’ny Tiako i Madagasikara, ary izao miitatra amin’ny MAPAR (Miaraka amin’ny Prezida Andry Rajoelina) izao indray. Hitondra ny raharaha eny amin’ny Filankevi-panjakana ny MAPAR ary anio no hametraka ny fitoriana momba izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.