Politique

Ivotoerana SAFIDY Afa-po amin`ny taham-pahavitrin`ny mpifidy


  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Nanao fanambarana mahakasika ny fanaraha-maso ny fifidianana ny Ivotoerana SAFIDY na Sampana Anaraha-maso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonanana.

 

 Raha ny tatitra voaray, biraom-pifidianana miisa 9.350 ao amin’ny faritra enina (6) amin’ny 24.852 biraom-pifidianana dia  nahitàna mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny SAFIDY miisa 7.032 nandritry ny androm-pifidianana. Nifantoka tamina teboka dimy (5) ny tatitra nomen`ity ivotoerana fanaraha-maso ity. Voalohany, mahakasika ny taham-pifidianana izay ny olom-pirenena no nifidy hatramin`ny 12 ora. Faharoa, 92%  ny biraom-pifidianana no nahitana delegen’ny kandidà. Manaraka izany, 39% ny biraom-pifidianana  no nahitana mpanara-maso nasionaly sy iraisam-pirenena ankoatran’ny SAFIDY. Amin’ny ankapobeny, ny 98% ny biraom-pifidianana dia tsy nahitana sakantsakana. Teboka farany, ny 15% n` ny biraom-pifidianana izay nahitana tsy fahampian’ireo fitaovam-pifidianana teo am-panombohana dia efa nahazo izany. Amin’ny ankapobeny dia nandeha araka ny tokony ho izy ny fifidianana, na izany aza dia nahitana tsy fahatomombanana teo amin’ny lisi-pifidianana sy ny karam-pifidianana teny amin’ireo biraom-pifidianana 547 nanaovan’ny SAFIDY fanaraha-maso. Nisy ihany koa ny biraom-pifidianana nikatona mialohan’ny fotoana, izay narahin’ny CENI maso manokana, izay nanairana  ny CENI. Mbola manohy ny fampitana ny tatitra momba ny fizotran’ny fifidianana ireo mpanara-maso eny an-toerana. Hisy tatitra mialoha mikasika ny fanaraha-maso notontosan’ireo mpanara-maso rehetra ireo izay hozaraina ny 09 novambra ho avy izao ato amin’ny foiben’ny SAFIDY. Afaka manambara izahay, hoy ny SAFIDY fa afa-po satria niasa mavitrika mba nahafahan’ny mpifidy maro nanao ny adidiny tao anatin’ny fitoniana, ary koa nihezaka araka izay tratranay mba hahatonga ireo dingana amin’ny fifidianana ho mangaraharaha sy tsy mitanila.

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT