Resahina betsaka eny anivon’ny etamazaoro politika ny fanovana ny govenemanta aorian’ny 13 janoary 2015, hanohizana ny vovonan’ny filoha dimy tonta ary ny tapaka tamin’ny vovonana natao ny 19 desambra 2014 teny amin’ny CCI Ivato
Governemanta vaovao no hijoro aorian’izay ka hiova na ny firafitra sy ny mpikambana ao anatiny. Manjavona tanteraka ny praiminisitra ankehitriny Kolo Roger ao anatin’ny adihevitra mandeha ankehitriny. Maromaro ny anarana re fa mety hasolo azy ao Mahazoarivo. Misy manamboninahitra misy sivily, fa amin’ity sokajy farany dia miverimberina ny anaran’i Ivohasina Fizara Razafimahefa. Anarana tsy zoviana amin’ny maro izany ary azo lazaina fa reharehan’ny Malagasy ny manana azy. Sady teknisinina i Ivo no mpanao politika. Mpiara-miasa akaiky ary tanan-kavanan’i Marc Ravalomanana izy. Niasa tamina banky tany Kobe Japon izy no nantsoin’ny filoha Ravalomanana hiverina an-tanindrazana hiasa ho an’ny firenena ka nampisahanina ny fanatanterahana ny Madagasikara Amperin’asa na MAP teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Voatendry ho minisitry ny toekarena sy ny indostria, tao anatin’ny governemanta Charles Rabemananjara izy taorian’izay. Teo amin’ny lafiny politika indray dia efa Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara izy. Nitana andraiky ambony teo anivon’ny fiangonana FJKM ihany koa izy, filohan’ny Sampana lehilahy kristianina (SLK). Niasa tamina banky tany Alemaina i Ivohasina Fizara Razafimahefa taorin’ireny raharaha 2009 ireny, ary ankehitriny izy dia miasa eo anivon’ny Tahirimbola iraisam-pirenana, misahana ny lafiny toekarena. Lehilahy voky traikefa ary olon’ny fisokafana. Nanaporofo izany ny nifampiresahany sy nifanakalozany hevitra tamin’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina tamin’ny nandalovan’ity farany nitarika delegasiona tany Washington tamin’ny martsa 2014 sy ny nahatongavany teto taorian’izay. Ilain’ny firenana ny olona toa azy amin’ny fanarenana ara-toekarena, izay no andrenesana ny anarany resahin’ny mpanao politika fa tokony ho praiminisitra na praiminisitra lefitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.