Tamin’ny taona 2002 no niforona ny Tim tao Ambohitrimanjaka. Tsara fototra izy satria Tim avokoa ny sefo fokontany ary tsara hatrany ny vokatra rehefa fifidianana ka sahirana ny antoko izay tsy manana kandidà atolotry ny fototra. Nanao fivoriambe fikarakana momba ny fifidianana ben’ny tanàna sy
Amboh
fanolorana ny kandidà amin’izany dia Rabemihoatra Mino mpitarika Tim Ambohitrimanjaka ry zareo ny sabotsy teo. Fivoriambe voalohany taorian’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo izy ity. Nanararaotra nanao tatitra tamin’izany ny depiote Mamy Rabenirina izay voafidy teny Ambohidratrimo ka mampanantena fa handray andraikitra amin’ny fanamboarana lalana miainga eny Ambodinakondro mankany Ivato ny lehilahy fa mafy ny amboteazy noho ny lalana ratsy ary mangataka koa izy hatao lalam-pirenena i Ambodinakondro. Ny lakandranon’i Andriantany dia tokony ho anjaran’ny kaominina Iarinarivo. Mahasarika ny olona ny tany any Ambohidratrimo sy ny manodidina ka dia tafiditra amin’ny kolikoly sy fisolokiana be ny fananantany any an-toerana. Ary izay olona manao ny asany ara-dalàna, toy ny ben’ny tanàna am-perinasa dia henjehin’ny fitsarana. Aiza ny tokony hanavaozana ny lalàna momba ny fananantany ? Mila havaozina koa ny “code de l’urbanisme” satria tsy tokony hihoatra rihina iray ny trano aty Ambohidratrimo, Mila jerena indray mandeha koa ny famaritana ny tanàna.
RHR/Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.