Amin’ny ara-dalŕna ny fitokonan’ny “trésor” satria manao ny marina ny lehibeny ary mijoro amin’ny marina, hoy Rtoa Berthine tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Akatony mihitsy ny tahirim-bola dia tsy misy mahazo maka vola fahatany ao. Na tiana na tsy tiana kosa, hoy Atoa Guy Roger, dia ho vola be
F
no ho lany raha handray fivoriana, ny vahoaka izao mizaka ny mafy, tsy mbola mivoaka amin’ny krizy ary sempotra ny firenena ka inona no mampihazakazaka ny mpitondra handray ny fivorian’ny OIF amin’ny 2016 io ? Traboina aza tsy avotra. Ekena fa ilaina ny fivoriana fa OIF frantsay, tsy mitondra na inona na inona sady tsy mahamaika. Mitokona ny seha-panjakana samihafa ary ho sahirana amin’io tahirim-bolam-panjakana io ny fitondrana. Mazava fa tsy vola famatsiana no takiana havoaka fa volan’ny orinasa miankina amin’ny fanjakana. Ny Sadc mantsy no milaza rehefa azo omena vola i Madagasikara izay tsy mbola mahafeno fepetra hatreto. Ny fantatra izao dia hihaona tsy ho ela amin’ny filoha Jacob Zuma ny prezidà Marc Ravalomanana. Tsara ny fiofanana momba ny fiarovana ny seranana sy ny tontolo iainana satria efa betsaka ny harem-pirenena lasa ary tsy nisy nipitika tany amin’ny vahoaka fa ny vahiny no nahazo tombony fa fiofanana an-kianja no ilaina amin’izany fa tsy anaty ny rindrina efatra. Aza mandà ny fanoloran-tanana ataon’i Marc Ravalomanana ianareo mpitondra fa miankina amin’ny fahafahany ny fivahan’ny fahorian’i Madagasikara, hoy i Nenifara.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.