Nitsidika ny faritra Bongolava sy Itasy ny kandida filoham-pirenena Marc Ravalomanana tamin’ity herinandro ity.
Nifanindran-dalana tamin’ny fihaonamben'ny Katekista Fjkm eo anivon'ny Synaodam-paritany Bemaraha, Tsiroanomandidy, Mandridrano Mpiambina, Miarinarivo ary Arivonimamo, izany. Nanatrika ny hetsika tao Tsiroanomandidy izy amin'ny maha filohan'ny jobily faha-50 taonan'ny FJKM sy ny faha-200 taonan'ny LMS azy. Faly aho nizara momba ny fahaiza-mitarika na ny “leadership” tamin'ireo mpizaika, araka ny traikefa ananako. Misy ny tranon’Andriamanitra atsangana any Miantsoarivo Arivonimamo izay notsidihiny ihany koa, ka nampahatsiahivany fa ny tonga miaraka no fanombohana ny asa, ny miasa miaraka no tena vokatra. Tonga eto aho izao, dia hanomboka ny asa isika. Tena niasa niaraka ianareo nahavita trano tahaka izao, ary mankasitraka sy miarahaba anareo aho. Mila ampiana ianareo ary ampiako ianareo, ka alefako aty aminareo ny zavatra hanaovana azy, hoy izy tao. Kendrena ho vita tanteraka amin’ny volana novambra izy io. Tsy izay ihany fa tanàna sy toerana maromaro no notsidihin’i Marc Ravalomanana, toa an’Ampefy, Ampary,… Mahita ny zavatra taty aho dia mahita fa mila ampiana ny olona aty, toy ny lalana. Tena faly aho fa hay aty misy asa miandry ahy, miandry anay, hoy izy. Nitarainan’ny vahoaka ny resaka tsy fandriampahalemana tena nirongatra be tato ho ato. Nanome toky izy fa laharam-pahamehana ao anatin’ny vinam-piarahamonina izay nataony. Hofoanana ny fanondranana omby velona any ivelany izay mampirongatra io asan-dahalo io. Tsaroan’ny rehetra rahateo fa nilamina kokoa ny tany, niadana ny vahoaka fony izy no filoha. Miandrandra an’i Marc Ravalomanana ny vahoaka Malagasy ary mety ho azy sy mifankahazo am-po hatrany izy sy ny olona amin’ny toerana rehetra na aiza na aiza alehany. Hatramin’ny ankizy nisitraka ireo aron’akanjo nomena ny mpianatra ambaratonga fototra niaraka tamin’ny “kit scolaires” aza niakatra lapihazo nanatona an’i Marc Ravalomanana raha nandre fa ho avy tao Ampary izy. Nahafinaritra ahy ny fandraisanareo teto Ampary Soavinandriana ! Faly tena faly aho, hoy i Marc Ravalomanana omaly. Tsy nisy ny fampahafantarana na ny “tam tam” be na fitaterana olona maimaimpoana mety hizarana vola aza, toy ny fanaon’ny sasany. Tsy nisy ny mpanakanto malaza, fa fitsidihana tsotra saingy vory lanona ny vahoaka. Babony i Bongolava sy Itasy, eny i Madagasikara manontolo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.