Miisa folo ireo kandida tsy nankatoavin'ny HCC ny firotsahan-kofidiana. Tsy nahafeno ny fepetra, indrindra fa ny fandoavana ny vola 50 tapitrisa ariary no tsy nandraisana azy ireo.
Anisan'izany i Bezara Eliane Virginie dite Ninie Doniah -Rasoamalala Savaron Armandine Malala -Ratsimbazafy Georges Désiré -Rasoamaka James Andriatsihety -Rakoto Jean-Pierre -Mahavimbina Alain -Raharimanana Mamy Nirina -Rasoloniaina Korodo Jean Félicien -Andrianirina Max Fabien Olivier -Tsiranana Philippe Madiomanana. Mbola hamoaka lisitra tena ofisialy ny HCC amin'ny alahady.
ANTSAPAKY NY CENI
Ny sabotsy 25 aogositra ho avy izao amin’ny 10 ora maraina no hotanterahana eny amin’ny biraon’ny CENI eny Nanisana ny antsapaka mba hamantarana ny laharan’ny kandida filoham-pirenena tsirairay avy. Miankina amin’io ny toerana ao anatin’ilay bileta tokana.
VONO OLONA
Novonoina dia natsipy teo ivelan’ny tambohon’olona. Tsy vitan’izay fa mbola nodorana koa ilay razana ary izy efa kila forehitra no hitan’ny olona teo an-toerana. Tetsy Alasora no nitrangan’izany heloka bevava izay nahatsiravina ny maro izany. Nentina tao amin’ny tranompatin’ny Hjra ny razana omaly mba hotilian’ny tompon’andraikitra ka hahafantarana ny nitarika ny fahafatesany. Hita soritra avy hatrany fa mety ho novonoina izy talohan’ny nandorana azy.
FANAFIHANA TENY ANKADIKELY ILAFY
Dimy lahy mitam-basy no nanafika tokantrano iray tetsy Ambohipanja, Ankadikely-Ilafy. Tsy tena ilay trano no anton-dian’ireo fa ny hangalatra ny fiara kely maoderina izay nipetraka teo an-tokotany. Nofatorana ny mpiambina dia avy eo nalaina ny fiara. Novohain’ireo ny trano ary mbola notateriny tamin’ny fiara koa ny entana izay lafolafo vidy tao anatiny, toy ny fahitalavitra fisaka sy ny kojakoja maro. Nahavita namaha ny fatorany ilay mpiambina ka nampandre ny zandary saingy efa tsy hita intsony ireo jiolahy.
TSY MILAMINA AMBOHIMANGAKELY
Miverimberina ny asan-jiolahy eny Ambohimangakely. Dimy lahy mitazona poleta vita gasy miisa telo no nandroba tokantrano iray. Lasa tao ny vola sy ny firavaka ary ny entana maro izay azon’ireo nobataina. Isak’alina dia efa tsy mandry ivohon’ny vato intsony ny mponina eny an-toerana, torak’izany ihany koa ny etsy Alasora sy Ambohimanambola izay tetezin’ireo jiolahy matetika tato ho ato. Efa fantatra fa mafana ary faritra mena ireo toerana ireo kanefa dia tsy mbola misy ny vokatra avy amin’ny mpitandro ny filaminana.
20 LAHY NANDROBA 50 000 Ar MONJA
Roapolo lahy izay mitazona basy vita gasy no nandroba tokantrano iray tetsy Talatavolonondry. Vola mitentina 50.000 ariary monja no azon’ireo tao ary niampy telefaonina kely vitsivitsy. Tsy mifidy arapaka intsony ny olon-dratsy ary izay tokantrano sendra azy dia robainy avokoa. Raha jerena ivelany dia efa fantatra fa tsy dia misy na inona na inona azo robaina ao anatiny, kanefa dia mbola io notafihana io ihany.
FANAFIHAN-DAHALO TANY ANDAINGO
Mpianaka no voatery naiditra hopitaly noho ny fanafihan-dahalo tao Ankiliabo-Andaingo. Samy voatifitra ilay vehivavy roa izay reny sy zanaka. Nahonena ny maro ny zava-nitranga ary dia marobe ny tonga namangy azy mianaka tao amin’ny toeram-pitsaboana izay nitondrana azy ireo. Miparitaka tanteraka ny basy eto amin’ny nosy ary miteraka asan-jiolahy izany na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Tsy voafehy koa ny fisian’ny basy vita gasy izay tena ampiasain’ireo olon-dratsy.
FATY OLONA TENY ISORAKA
Olona iray no maty tao anaty trano tao Isoraka nandritry ny firehetan’ny trano iray teo an-toerana. Tsy mbola fantatra mazava ny tena niandohan’ny afo, fantatra kosa fa trano roa no voakasiky ny firehetana saingy ny iray no tena potika tanteraka, sady toeram-pivarotana izy io. Tokony ho tamin’ny telo ora maraina no nisehoan’ny loza omaly.
CEPE CISCO ANTANANARIVO RENIVOHITRA
Nahitana fiakarany 18 isan-jato mihoatra ny tamin'ny taon-dasa ny taham-pahafahana CEPE teto amin'ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra. 73,61 % ny taham-pahafahana teto amin'ny Cisco Tana-ville raha ny tatitry ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Miankina amin'ny isa zakan'ny CEG tsirairay sy ny naotin'ny mpiadina kosa, no mamaritra ny isan'ireo afaka CEPE 6ème. Cisco folo amin'ny 114 manerana ny nosy sisa no andrasana dia feno ny valim-panadinana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.