Politique

Iraka manokan’ny Firenena Mikambana Ny samy Malagasy no aoka hifandamina


  • Alatsinainy 07 Mey 2018

Tonga eto Madagasikara amin’izao fotoana izao i Abdoulaye Bathily, mpanolotsaina manokan’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena mikambana, izay voalaza fa hanelanelana sy handamina ny krizy politika eto.

 

 Nihaona tamin-dRajaonarimampianina teny Iavoloha omaly tolakandro, ary mbola hifampidinika amin’ireo mpisehatra ara-politika rehetra mikasika ny disadisa misy ankehitriny. Hiara-kiasa akaiky amin’ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC ny tenany raha ny nambarany, ary hiombon’antoka amin’ny sehatra Iraisam-pirenena eo amin’ny hanampiana an’i Madagasikara hamaha ny olana ao anatin’ny fifampiresahana. Nilaza izy fa ny samy Malagasy ihany no tokony hiara-kandamina ny fifanolanana. Nandritra io fotoana io moa no nilazany fa efa eto ihany koa i Ramtame Lamamra, anisan’ny niara-dia tamin-dry Joaquim Chissano sy ry Jean Ping tany amin’ny taona 2010 nandaminana ny krizy. Tsaroan’ny mpanao politika Malagasy tsara ry Ramtame Lamamra, teratany Alzerianina, izay iraky ny vondrona Afrikanina tamin’ireny famahana krizy tamin’ny 2010 ireny. Niara-namolavola ny tondrozotra tamin-dry Joaquim Chissano tamin’izany fotoana. Teo ihany koa ry Jean Ping, izay nalefa taty Madagasikara, saingy niaraha-naheno ny nafitsony rehefa tsy lany filoha tany Gabon ny taona 2017 hoe anisan’ny nitarika ny korontana sy ny sakoroka tany an-toerana izy ka mampisalasala ny mpanao politika Malagasy. Efa niresaka tamin’izy ireo izahay hoe aleo ny Malagasy samy Malagasy no handamina azy io, dia efa nanaiky izy ireo rehefa izay ny fanapahan-kevitra, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Andrasana izay hiseho.

Marigny

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT