Ny sabotsy sy alahady manontolo lasa teo no nanomanan’ny fikambanana tanora navondron’ny serasera “facebook” antsoina hoe “Ino Maresaka ŕ Tamatave” (IMT) hetsika natao teo anoloan’ny CRJS,
entina hanampiana ireo traboin’ny hain-trano goavana tao Tanambao Verrerie sy ireo niharan’ny hain-trano nifanesy tao Toamasina tamin’iny volana janoary nivalona iny. Tsy nisy nipoitra ireo solontenam-panjakana sy ireo olom-boatendry ary ireo olom-boafidy tao Toamasina mba nanampy ny finiavan’ireto tanora IMT hanampy ny mpiara-belona aminy ireto. Ireo olon-tsotra sy tranombarotra ary ireo tsara sitrapo no tonga nanatitra izay tsirambin’ny tanany. Ankoatra izay, dia lasa fahavalon’ny solontenam-panjakana sy ireo olom-boatendry miaro mafy toerana ary ireo olom-boafidy tsy mahavita ny andraikiny, ity tambajotran’ny tanora navondron’ny “facebook” ao Toamasina ity. Anisan’ny mampitsikafona ny zavatra tsy mety sy hitany fa manimba ny fiarahamonina sy ireo tsy fandraisana andraikitra manaratsy endrika ny tanàna, ny tambajotran’izy ireo. Anisan’ireny ny fako mameno ny tanàna, ny bengy na osy mandehandeha mameno tanàna, ny tsy fandaminana ny tsena, ny kolikoly eny amin’ny biraom-panjakana… Na eo aza izany olana amin’ny fanenjehana ireto tanora ireto izany, dia sahy nijoro sy nitondra hatrany ny anjara birikiny izy ireo amin’ny fanampiana ny mpiara-monina aminy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.