Tafatsangana ny sabotsy teo tany Imeritsiafindra, teo ambany fitarihan’ny depiote Rakotomanjato Rodin voafidy tany Arivonimamo notronin’ireo mpiara-dia aminy, ny rafitra COM TIM Ambatomirahavavy hivondronan’ireo fokontany 17 misy ao amin’ity kaominina tsy lavitry ny renivohitra ity
Navitrika niatrika ny fifidianana ireo tompon’andraikitra manan-jo ao anatin’ireo fokontany ireo. Lany ho filoha taorian’ny latsa-bato miafina natao Atoa Rabemananoro. Voafidy daholo ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny birao ahitana filoha lefitra roa, mpitam-bola iray, sekretera iray ary mpanolotsaina iray avy isak’ireo fokontany. Aza adinoina, hoy ny depiote Rodin nanafatrafatra an’ireto mpikambana vaovao ireto fa miandry anareo, ankoatra ny fameloma-maso ny fikambanana, ny asa ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka araka ny tarigetran’ny filoha mpanorina Marc Ravalomanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.