Politique

Imerinafovoany - Talatamaty Fiarana minisitra namono olona


  • Alakamisy 15 Oktobra 2015

Tampoka ny fisehon’ny loza. Nirimorimo fandeha ihany koa ilay fiara 4x4 nandona. Vehivavy no lasibatra avy naka “certificat de résidence” tao aminany fokontany teny an-toerana, izay namoy ny ainy.

 

 Fiaran’ny minisitera iray etsy Anosy, nisava lalana manampahefana hamonjy seminera nasionaly handrafetana politika nasionaly momba ny fandriampahalemana teny amin’ny CCI Ivato no nandona. Nijanona izy taorian’ny loza, nanohy ny diany hatrany kosa ireo nanaraka azy, nirifatra nanaraka azy ireo koa ity 4 x4 rehefa avy nanakisaka fotsiny ilay niaram-boina avy tao ambany fiara nampakana sisin’arabe. Hatramin’ny omaly hariva dia mbola tsy mba niverina tao amin’ny fokontany nanontany ny niaramboina ilay nitondra an’ity 4x4 ity. Nisesy ny loza ateraky ny fiarana minisitra tato ho ato. Teny Anosipatrana, roa volana lasa izay, dia fiarana minisitra ihany koa nandona zazalahy kely mpilalao baolina. Mitondra kilema ity farany ankehitriny, ary manao antso amin’ny nandona mba hisy fandraisana andraikitra amin’ny niharam-boina fa sahirana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT