Politique

Imbiky Herilaza « Tsy azo ihodivirana ny fanafoanam-bato… »


  • Talata 08 Janoary 2019

Tonga ihany ity ny talata 8 janoary 2019, fotoana nifanomezan’ny avy eo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny vahoaka Malagasy hamoahany ny fanapahan-kevitra mikasika ny fifidianana ho filoham-pirenena, fihodinana faharoa, natao ny 19 desambra 2018 teo.

 

 Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny dia naneho ny tombany mikasika ny mety ho fanapahan-kevitra hivoaka ny mpahay lalàna, Imbiky Herilaza. Fanapahan-kevitra miisa 3, hoy ny tenany, no azon’ny HCC avoaka manoloana ireo fitoriana maro voarainy. Ny voalohany dia miankina amin’ny endrika na “forme”. Raha tsy feno ny fepetra, ohatra, hoe tsy ara-potoana voafaritry ny lalàna no nandraisan’ny HCC ireo fitarainana sy fitoriana dia izay ilay antsoina hoe “irrecevable à la forme”, izany hoe tsy azo raisina avy hatrany. Faharoa dia ilay hoe “recevable à la forme mais requête en rejet”. Io ilay hoe azo raisina fa tsy mitombina. Antony dia satria mety tsy misy fiantraikany amin’ny voka-pifidianana ilay fitoriana, raha ny fanazavany hatrany. Ny fahatelo moa izay andrasan’ny maro, hoy izy, dia ny fanafoanana fifidianana, araka ny andininy faha-3 amin’ny andalana faha 35, dia karazana fampitahana tany amin’ilay biraom-pifidianana no tsy maintsy atao amin’io. Afaka manitsy voka-pifidianana koa anefa ny HCC raha misy tsy tomombana. Izany hoe manao ny antsoina hoe “retranchement” na misintona an-jambany izay vato nihoatra. Raha ohatra izany ka miisa 4.050.000 no mpifidy ka ny 2/3 amin’izay no mety vato voahodinkodina dia afaka miteny ny HCC fa nisy fiantraikany mivantana teo amin’ilay voka-pifidianana tokoa ilay hosoka. Mety hisy ny fanafoanam-bato. Tsy azo ihodivirana io, hoy izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT