“Tsara ny fanapahana nataon`ny CENI tamin`ny adihevitra amin`ny haino anan-jerim-panjakana satria misandrahaka manerana ny nosy sady ilain`ny vahoaka Malagasy ny fampafantarana ny vina sy programanasan`ny kandidà”,
hoy Imbiky Herilaza, mpitsara, raha nanontaniana ny heviny mahakasika ilay adihevitra teo amin`i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina tamin`ny alahady lasa teo. Fantatry ny vahoaka amin`izao fotoana ireto kandidà ireto rehefa mifanatrika. Ho an`ny kandidà indray, andro iny nahafahany nampiseho tamin`ny Malagasy rehetra ny fahaiza-manaony, ny fahafahany manao ny asana filoham-pirenena sy ny fahafehezany ireo fanontaniana maromaro. Nandritra ny fifanandrinana, nibahan-toerana ny lafiny politika noho ny tsy fitovian-kevitra amin`ny tena nandatsaka ny firenena tao anatin`ny lavaka, hoy ity mpahay lalàna ity. Ho fanatsaràna ny adihevitra ny alahady izao dia nitondra ny heviny mahakasika izany. Tokony mitodika bebe kokoa amin`ny fandresen-dahatry ny vinan`ny tsirairay. Mila mampiseho ihany koa ny roa tonta fa mendrika hitantana firenena satria na ny tanora na efa zokinjokiny dia raiamandreny foana no filaza azy ka mila manana fahendrena sy famendrehana. Notsipihany manokana fa tsara ihany koa raha misy mpanao gazety hafa ankoatr`ireo efa eo anivon`ny haino aman-jerim-panjakana fa kosa tsy olona voaomana hamely sy hanakiana fa olona mahafantatra ny tena ao anatin`ny sain`ny olona. Na tsy nibahana teo amin`ny resaka fitsarana aza, hita ihany ny tsy nanaja ny fahefam-pitsarana. Nlaza i Imbiky Herilaza fa ny vahoaka no mandinika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.