Politique

Imbiky Herilaza “Mila mitandrina ny rehetra”


  • Alatsinainy 19 Novambra 2018

Fifidianana efa nandrasan`ny Malagasy an-taonany maro ity fihodinana faharoa ity izay hifanandrinan`i Marc Ravalomanana sy i Andry Nirina Rajoelina.

 

 

 Naneho ny heviny mahakasika izay i Imbiky Herilaza, mpitsara sady mpikambana teo anivon`ny CES, ka nilazany fa mila mitandrina ny kandidà sy ireo lohandohan`ny mpisorona. Toy izany koa ireo manampahefana rehetra, indrindra ny vahoaka. Nanambara izy fa mirona amin`ny olona roa izay nifandona tamin`ny taona 2009 no hiatrika ny fihodinana faharoa. Mila mitandrina ny rehetra ka atao ao anatin`ny fitoniana sy firahalahiana daholo ny zavatra rehetra, indrindra ny propagandy. Nomarihany fa tokony handray fepetra ihany koa ny manampahefana amin`ny fampiasana vola tsy mazava fiaviana na tsy ara-drariny. Mila mailo ihany koa eo amin`ny fandriampahalemana satria tsy fantatra izay zavatra mety hitranga any amin`ireny toerana lavitra andriana ireny. Notsipihan`i Imbiky Herilaza fa mila mandray fepetra farany izay haingana raha toa ka misy ny fandikana lalàna eo amin`ny roa tonta. Raha mandeha amin`ny mangarahara sy tsy fitanilana ny fifidianana dia mety hanaiky daholo ireo mpirotsaka hofidiana mahakasika ny voka-pifidianana ary hirariana mba tsy ahatongavana amin`ny korontana maro samihafa, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT