Raha fifidianana milamina sy manaraka ny fenitra demokratika rehetra dia raha dinihana, tsy feno izany fepetra izany. Mikorontana daholo ny tsy fifehezana ny fifandraisana sy fifanajana amin`ny samy fifidianana.
Na ny firotsahana ireo kandidà 10 mangataka famerenana fanokafana lisim-pifidianana no ahitana fa tsy manaraka ny fenitra ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy toy ny taloha ny fisehoan`ny fanokafana ny propagandy, hoy ny mpitsara Imbiky Herilaza, satria efa hita efa tamin`ny volana maro no nisy nihazakazaka efa nanao. Nohamafisin`ity mpahay lalàna, maro ireo efa nanao “tam-tam be” sy nanokana ny foibeny… Toa tsy amin`ny maha andro voalohany mihitsy ity fampielezan-kevitra izany fa to any andro voalohany ofisialy fotsiny, Ny rehetra rehefa nanao fampielezan-kevitra mialoha hany ka tsy voafehy ny fanjakana ny fiainam-pirenena. Nomarihany fa fa somary tara raha haka fepetra indrindra raha mahakasika ny fitakian`ireo kandidà `ny famohana lism-pifidianana araka ny lalàn tsy az atao intsony. Nilaza ihany koa ity mpitsara ity fa mitongilana ny resaka famatsiam-bolan`ny kandidà satria tsy araka intsony ny fidiram-bola amin`ny fampielezan-kevitra ka miavaka hatrany ny kandidà matanjaka be sy ny kandidà malemy. Tsikaritra hoy Imbiky Herilaza fa misy antokon`olona avy any ivelany manome vola any amin`ilay kandidà nefa iaraha-mahafantatra fa ny famatsiam-bola avy any ivelany tsy azo atao. Maro ny lafiny tsy voafehy tamin`ity fifidianana ity. Ohatra, ny lalàna mahakasika ny fififdianana milaza fa ny “support publicitaire” dia tsya azo hanaovana fampilezan-kevitra nefa ataon`ireo kanidà izanyka tsy misy lalam-pifidianana voahaja amin`nyzavatra hita, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.