Politique

Imbiky Herilaza ‘Mety holavin`ny HCC ny fangatahan`ireo kandidà 22”


  • Sabotsy 13 Oktobra 2018

“Tsy azo ho raisina ny fitoriana na fangatahana nataon`ireo kandidà 22 teny amin`ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana ary mety ho lavin`ny HCC izany satria ny lalàna efa mazava fa tapitra tamin`ny 15 mey ny fanokafana sy fanitsiana ny lisim-pifidianana” hoy Imbiky Herilaza, mpitsara.

 

 

  Antony, mazava ny voalazan`ny lalàna 2018-008 amin`ireo andininy faha-36 raha mahakasika ny lisim-pifidnana. Ny lisim-pifidianana dia misokatra ny 30 desambra lasa ka hatramin`ny faha-15n’ ny volana mey hitsahana. Ao aoriana izay dia manana fito andro ny olona raha toa ka tsy voasoratra ao anatin`ny lism-pifidianana any amin`ny fokotany, manao fitakiana any amin`ny rantsan`ny CENI. Raha tsy afa-po amin`izay valin`izay, manana 10 andro indray mandeha any amin`ny fitsarana ambaratonga voalohany mangataka ilay fampidirana anarana ao anatin`ilay lisim-pifidiana. Rehefa vita izay dingana izay dia tapitra hatreo ny fangatahana fampidirana anarana na fanavaozana fampidirana lisim-pifidianana hoy ny fanazavan`ity mpahay lalàna ity. Tokony mitodika amin`ny fampielezan-kevitra ireo kandidà 22, hoy IMBIKY Herilaza satria sitra-pony no milatsaka hofidiana fa tsy an-tery ka miendrika ho fanakorontanana ny fifidianana ny zavatra ankehitriny ny milaza hoe tokony ovaina ny lism-pifidianana, mitory eny amin`ny HCC… Tsy azo lavina fa tafidtra ao anatin`ny atao hoe “contentieux electoral” izay manomboka ny fisokafan`ny andro voalohany ny fampielezan-kevitra hatramin`ny famoahana ny vokam-pifidianana ofisialy, ka ny HCC ihany no afaka mandray ny fitarainan`ny kandidà saingy raha amin`izao resaka lisi-pifidinana tsy tafiditra amin`izay, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT