Politique

Imbiky Herilaza « Mamofompofona zavatra hafa ny fifidianana »


  • Sabotsy 08 Septambra 2018

« Tsy mbola nahita fikarakarana fifidianana tena mikorontana ohatra izao hatreto », hoy Imbiky Herilaza, mpahay lalàna mahakasika ny fiainam-pirenena ankehitriny.

 

 

 

 Efa nanomboka tamin`ny resaka fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana na dia tsy voafaritry ny lalàna aza. Ny kandidà izay mitondra ny vinam-piarahamoniny dia namadika izany ho tetikasa amin`ny fampielezan-kevitra ary hita fa misy fandikana lalàna ihany satria efa mitovy amin`ny mampifidy azy ihany. Eo ihany koa ny fitantanam-bola mahakasika ny kandidà. Na dia misy aza ny fametrahana ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra sy fanaraha-maso an`izay dia hita fa tsy araka intsony ny vola miditra sy mivoaka amin`ilay kandidà. Nilaza ihany koa izy fa manana fahalemena ny rafitra roa amin`ny famerenana amin`ny laoniny izay voakasiky ny lalàm-pifidianana. Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no tokony ho nametraka ny famerenana fidirana amin`ny fanajana ny lalàna. Ny CENI kosa, izay mikarakara fifidianana, no misintona lakolosy amin`ny fanajana ny pitsopitson` ny lalàm-pifidianana. Tohin`ny krizy 2002, izay tsy voaravina tsara, sy ny krizy 2009 ny zava-misy amin`izao izay tsy voaravon`ny fifidianana 2013. Midika izany fa talohan`ity fifidianana ity dia tokony ho nisy fepetra be dia be noraisina. Tsy nisy ny fifanatonana na fihavanam-pirenena ka hita fa mbola mipetraka ny lonilony, hoy izy. Amin`izao, efa nekena daholo ny ankamaroan`ny olona hofidiana ary hita fa tafiditra amin`izany ny filoha nifanandrina tamin`ny 2002 sy ireo nifandrina tamin`ny 2009. Tafiditra tao ihany koa ireo olana politika nisy teo amin`ny filoha tetezamita nivoaka sy ny filoha izay niditra. Hita anefa fa nanembatsembana izany nanomboka tamin`ny taona 2014 ka hatramin`izao. Maro ireo olona nekena hofidiana ho filoham-pirenena. Ekena fa fahalalana izany ary tena lalàmpanorenana no mamaritra azy. Nametra-panontaniana ny tenany hoe : avy aiza ny fahefan-dry zareo nanao an`izay ara-bola ? Ahoana ny mangarahara ao anatin`izay ? Misy ihany koa olona natolotra fotsiny, hita hoe nirahana hanakorontana izy. Misy amin`ireo efa nekena ho kandidà indray no tsy nanaiky hoe : tsy nety ny didim-panjakana miantso ny fifidianana, tsy mety ny fikarakarana ny HCC hisian`ny fifidianana. Ny zavatra misy mihitsy no efa mitarika korontana ka mila mitandrina ny rehetra satria mamofompofona zavatra hafa ihany ny fifidianana raha amin`izao, hoy hatrany ny fanazavana.

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT