Manoloana ny fitoriana mahakasika ny didy fiampiantsoana ny mpifidy napetraky ny kandidà iray dia manazava ny heviny mahakasika izany ny mpitsara, Imbiky Herilaza.
Amin`ny ankapobeny, ny fifanolanana amin`ny fifidianana dia milaza ny lalàna 2018-008 fa raha misy fifanolanana mahakasika fifidianana, indrindra fa ny fifidianana filoham-pirenena, dia ny HCC no mahefa mitsara izay. Raha misy ady hifanolanan`ny andrim-panjakana roa dia namoaka didy fanapahana ny HCC ary noho io didy io no namoahan`ny governemanta indray ilay fifidianana mialoha ny fotoana. Iny ilay didim-panjakana izay nisy nitory tany amin`ny Filankevi-panjakana. Izany dia “Acte de gouvernement” ka noho izany tsy afaka mitsara ny Fitsarana satria misy amin`ny teny baiko “immunitè juridictionnelle” ka tsy azo tsaraina. Raha ohatra ka namoaka ilay fihevitra ny HCC taaorian`ny taratasy nalefan`ny praiminisitra. Ny hevitra navoakan`ny HCC kosa dia tsy voatery arahina fa ny didy fanapahana sy ny didy ihany no tsy maintsy arahina kanefa manan-danja ny hevitra navoakan`ny HCC. Ka raha ilay fihevitra no arahina dia tsy tokony mahefa ny filankevi-panjakana hitsara ny raharaha fangatahana fanafoanana ilay didim-panjakana napetraky ny kandidà, hoy hatrany fanazavany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.