Politique

Imbiky Herilaza « Aleo ao anatin`ny fanarahan-dalàna ny fitakiana”


  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Tapitra iny ny fifidianana fihodianana voalohany. Samy hiandry izay vokam-pifidianana eo ny rehetra. Maro ihany anefa ny zavatra tsy tomombana nandritra ny fizotran`ny fifidianana.

 

Na dia efa fantatra ihany fa hisy ny fifidianana amin`ity taona ity saingy ny fotoana no lasa naroso kely satria tamin`ny didy fanapahana nataon`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no nahatonga ny fifidianana lasa nialoha ny fotoana. Somary nisy ny fikoropahana tao anatin`izay zavatra izay ka niteraka tsy fahatomombanana toy ny lisi-pifidianana, fizarana kara-pifidianana… hoy Imbiky Herilaza, mpitsara sady mpikambana teo anivon`ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana (CES) satria maro ireo tsy fahatomombanana amin`ny fikoropahana mikarakara fifidianana. Nilaza ny heviny I Imbiky Herilaza mahakasika izay mety hitranga aorian`ny fifidianana. Arak any nambarany dia fa efa nisy olona nanakiana ny fikarakarana fifidianana ka raha izany no tody tanjona dia tonga tamin`ny fanemorana fifidianana kanjo tsy tanteraka izay zavatra izay. Araka izany, mety hisy sasany amin`ireo tsy hanaiky ny voka-pifidianana. Maro tokoa ireo kandidà nilaza fa misy ny tsy fanarahan-dalàna maro ka mety hahatonga ny voka-pifidianana ho simba kanefa zon`izy ireo araky ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana no mitaky sy mitory eny amin`ny tomponandraikitra mahefa. Nomarihany kosa fa tsy tokony hitarika korontana izany anefa fa atao amin`ny fanarahan-dalàna. Raha misy zavatra tsy araka ny tokony ho izy toy ny vato novana, fanakorontanana biraom-pifidianana, tsy mifanaraka amin`ny voka-pifidianana eritreretina tamin`ny fanisana… ireny dia tokony hatao ao anatin`ny fanarahan-dalàna ny fitakiana izay. Raha tena niomana ny kandidà, hoy Imbiky Herilaza dia nametraka olona izay solontena azy isaky ny birao-pifidianana manerana an`i Madagasiakara. Hafa kokoa raha nametraka fomba fiasa ahafahana miampita voka-pifidianana eo no ho eo ihany ary izay ao anatin`ny PV ihany no maha ara-dalàna izany. Na inona na inona hotenenin`ireo kandidà ny voka-pifidianana vonjimaika dia ny CENI no milaza azy ary ny vokatra ofisialy dia ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no mitondra amin`izay hoy hatrany ny fanazavany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT