Kandida ho filoham-pirenena Malagasy hifaninana amin’ny 7 novambra 2018 i Imbeh Serge Jovial “Economiste Financier” izay nandrotsaka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana teny amin’ny Hcc Ambohidahy ny sabotsy harivan’ny 18 aogositra lasa teo.
Nohamafisiny tamin’io fotoana io izay efa nolazainy teny amin’ny CCI Ivato ny marainan’ny sabotsy teo, fotoana nampahafantarana ny momba azy sy ny antoko AFIMA “Antoky ny Fivoaran’ny Malagasy” nanolotra azy ary ny fanohanan’ny antoko Marina azy ihany koa fa “Tonga aho Gisa Mainty” dia ilay olom-baovao hitondra aina vaovao ho an’ny firenena Malagasy. Koa satria, hoy ity kandida tanora 40 taona ity, “Vahoaka ihany, vahoaka hatrany” no teny filamatry ny AFIMA tarihany dia hifantoka amin’ny fijerena ny vahoaka sy ny fampandrosoana azy ny praograma rehetra hoenti-manavotra ny firenena. Nambarany fa hahenany ho 25 % ny tetibolam-panjakana fa hoentiny any amin’ny kaominina ny vola rehefa izy no ho lany eo. Homeny sakafo in-2 isan’andro ao anatin’ny 6 ka hatramin’ny 8 volana aloha mba hahafahany hahaleotena tanteraka avy eo ireo vahoaka sahirana manerana ny nosy. “Tsy maika no ilaina, hoy Imbeh Serge Jovial fa ny tonga no arahabaina”.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.