Politique

Imbeh Serge Jovial « Hamaha ny olana sy geja misy eto aho »


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2018

Nivoaka tamin'ny fomba ofisialy ny sabotsy lasa teo, taorian'ny antsapaka izay nataon'ny CENI ny laharana izay entin'ireo kandidà ho filoham-pirenena tsirairay avy. Mitondra ny Laharana" faha-26"

ny kandidà Imbeh Serge Jovial. Ity tarehimarika ity dia tena manan-danja, hoy ity mpahay toekarena ity. Maneho sy manamarika ny fahaleovantenantsika amin'ny 26 jona izy io ary mampiseho fanantenana kosa raha oharina amin'ny vinam-piarahamonina izay manana fanamby goavana amin'ny fanombohana ny toekarena, ny ady amin'ny fahantrana, ny kolikoly ... izay mazava ho azy fa mifandraika amin'ny vahoaka, hoy ny fanazavana. Ireo rehetra ireo dia mifandray amin'ny fanoloran-tenany, ny fahitany, ny fandraisany anjara, hanampy sy hamonjy an`i Madagasikara, hoy ihany izy. Tafiditra tanteraka ao anatin`ny fahantrana lalina, kolikoly avo lenta ny firenena. Amin`izao fotoana izao, dia nohamafisiny fa izy 
ilay kandidà tokana afaka hamaha ireo geja misy eto amintsika.
Nandritra ny zaikabe tetsy CCI Ivato, no porofoiny fa izy ilay “gisa mainty”, manana izay toetra takiana amin`izany, traikefa…   mba hahatonga ny Malagasy tsy an-kanavaka na ny tantsaha, ny fisotroan-dronono, ny mpiasam-panjakana, ny mpikatroka ara-toekarena ... hiaina amim-pahasambarana ao amin'ny firenena. Efa tamin`ny 10 taona lasa ity kandidà ity no niomana hiatrika safidim-bahoaka ary mazava ny teny faneva entin`ny antoko AFIMA “Vahoaka hatrany, vahoaka ihany”. Noho izany, mametraka fanamby ny tenany fa ho fitaratra aty amin`ireo firenen`ny ranomasimbe indianina i Madagasikara ary handroso bebe kokoa aty amin`ny kaontinantaben`i Afrika.
 

 
Marigny A.
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT