Horaisin’ny filoha frantsay François Hollande hihaona aminy ao amin’ny lapan’i Elysée ny filohan’ny Repoblika malagasy Hery Rajaonarimampianina, amin’ny zoma 19 septambra mitatao vovonana, raha ny fandaharam-potoan’iry voalohany
voasoratra ao amin’ny tranokalan’ny fiadidiana ny Repoblika frantsay (www.elysee.fr). Horesahin’ny roa tonta mandritra io fihaonana io ary ve ny amin’ireo nosy madinika manamorona an’i Madagasikara na «Iles éparses» ? Io rahateo no fihaonana voalohany eo amin’ny filoha roa tonta taorian’ireo hetsi-pitakiana nataon’ny vondrona mpanao politika malagasy nanoloana ny masoivohon’ny Firenena Mikambana teny Andraharo ny faran’ny herinandro teo ary nitohy teny Alasora omaly, ary mifanandrify indrindra amin’ny fivoriambe faha-69 an’ny Firenena Mikambana, izay nisokatra omaly any New York.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.