Notanterahina tao Ihosy ary nifarana ny faran'ny herinandro teo ny zaikabe nandinihana ireo paikady heverina hampandrosoana an’iny faritra Bara iny.
Ireo zanaka ampielezan'ny faritra no tompon-kevitra tamin'ny nanaovana azy ity, ary nambara fa misokatra ny fandraisana anjara. Misy anefa ireo fikambanana sy antoko politika mahatsiaro ho nailikilika ka tsy nandray anjara. Mampiaka-peo izy ireo ary mitaky ny hialan'ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny teknôlôjia vaovao, Rakotomamonjy Nepatraiky izay anisan'ny nanome voninahitra ny zaikabe ity.
Nangonin'i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.