Politique

IEP Ampandrana Hitondra tantsoroka ho an’ireo mpanao politika


  • Talata 15 Mey 2018

Hanao tantsoroka ho an’ireo antoko politika sy kandida hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena eto amintsika ny ivontoerana fianarana sy fandalinana politika IEP etsy Ampandrana.

   Amin’ny alalan’ny fanolorana tolo-kevitra sy fampiofanana maimaimpoana no hanatanterahany izany, raha araka ny fanazavan’Atoa Rajaona David, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny IEP tamin’ny mpanao gazety, omaly. Ilaina ny fifanomezan-tanana satria iray ihany ny tanjona tiana hotratrarin’ny rehetra dia  ny hampandrosoana  ny firenena. Eo an-danin’izay dia ilaina ihany koa ny hahafantaran’ny olom-pirenena  tsy an-kanavaka ny fandaharan’asan’ny kandida tsirairay avy mba hifidianany asa fa tsy sanatria endrika na tsangan’olona fotsiny ihany. Nomarihin’ity ivontoerana fandalinana sy fianarana politika avo lenta ity fa tsy afaka manatona kandida any an-tokantranony izy ireo fa tsy maintsy manatona eny Ampandrana izay mila azy ireo. Tsy misy tombo sy hala ny kandida amin’izany, hoy hatrany i David Rajaona fa mitovy daholo. Nomarihin’ity tompon’andraikitra ity fa kandida miisa telo hatreto no efa tonga nangataka fanampiana tamin’izy ireo.

 Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT