Kandida ho ben’ny tanŕna iray tao amin’ny kaominina Inakafy, distrikan’i Betroka no maty nisy nitifitra ny alahady 16 aogosotra teo tao an-tanŕnany tao Ianakafy ihany izay sady tanindrazan’ny Depiote Randrianasolo Jean Nicolas,
solombavambahoaka voafidy tao Betroka ihany koa. Kandida mahaleotena natolotry ny ny fikambanana Firaisankina Ralambo Tsiharagny Retana. Nandritra ny fanisana vato dia fantatra fa nandresy ity kandidan’ny Firaisankina ity saingy niova teny an-dalana ny vokatra ka lasa ny kandida Razanamahery Fety Mana Gilbert avy amin’ny antoko Hvm no mitarika vonjimaika. Marihina fa nisy efatra ireo kandida nifaninana tao Ianakafy fa izy roalahy ireo no nahazo be indrindra. Tsy nanaiky an’io vokatra vonjimaika io i Tsiharagny Retana ka nametraka fitarainana tany amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana tany Toliara kanjo vao tafaverina tany an-tanànany izy dia izao nisy nitifitra izao ka maty. Fifanandrifian-javatra ve sa efa nokendrena mihitsy ny namonoana ity kandida ben’ny tanàna ity fa raha ny mponina ao Betroka, indrindra fa ny any Ianakafy dia resy lahatra fa misy ifandraisany amin’ny resaka politika izao fahafatesana tampoka izao. Ny kaomandin’ny vakim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena ao Betroka kosa dia manamafy fa tsy misy ifandraisany amin’ny resaka politika ity raharaha ity fa mety lolom-po efa niotrika efa ela. Efa misokatra ankehitriny ny fanadihadiana.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.