Politique

HVM Tolagnaro Miady an-trano samy te ho lohany


  • Talata 16 Septambra 2014

Olom-bitsy nanohana an'ingahy Rajaonarimampianina tamin'ny fifidianana ihany no sahy mitonona ho Hery Vaovaon'i Madagasikara ao Tolagnaro.

Nifanjevoana izany noho izy ireo samy te ho lohany. Izay lohany mantsy, araka ny fahita, tsy maintsy ho kandida amin'ny fifidianana. Amin'izao fotoana efa azo isaina amin'ny rantsana dimy ireo te hilatsaka ho ben'ny tanàna ao an-drenivohitra Anosy ao. Io no anisan'ny nitarika fifandrafiana eo amin'ireo zanaky ny HVM ireo. Na ingahy Jerry Hatrefindrazana, depiote voafidy tany an-toerana (tsy miankina) manohana ny fitondrana aza dia sahy nilaza fa tsy hitondra ny anaran'ny HVM tenany rehefa manao tatitra fa amin’ny anaran'ny fikambanana nirotsahany ka nahalany azy ho olom-boafidy. Maha valalanina ireo olona manda mafy rehefa lazaina fa HVM. Tsikaritra fa fanomanana ny ho fiatrehana ny fifidianana mikaroka olona heverina fa ho lany izy ireo mba hatao kandida ho ben'ny tanàna rahatrizay. Politika avokoa izany. Fa miresaka HVM ihany, mahatsiaro voafitak'ireo mpitarika ny HVM Vehivavy ireo fikambanam-behivavy mivondrona ao amin'ny vehivavy 8 Martsa. Nieritreritra ny hanao asa sosialy mantsy ry zareo. Samy nasaina nandoa 15 000 Ar ireo fikambanana. Fanomezana kit scolaire no natao. Diso fanantenana izy ireo ka raikitra ny menomenona sy ny horakoraka narahin-katezerana vokatry ny hafetsifetsena. Mbola zary fitaovam-pamokarana hatramin'izao ireo mpitrongy vao homana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT