Araka ny efa nambara hatrizay dia niseho indray ny efa nampoizina tamin’ny hetsika fampisehoan-kery nataon’ny parlemantera manohana ny fitondrana teny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny sabotsy lasa teo.
Zara raha ny atsasaky ny kianja ihany no nisy olona tonga sy nokaramaina hitaninandro manoloana ireo solombavambahoakan’ny HVM. Tsy nampiraika ny olona intsony ny fampisehoan-kery nodradradradraina nandritra ny herinandro teo anivon’ireo haino aman-jery mila ranondranony amin`ny fitondrana. Vao maraina, « Fitoniana Tour », no hita tamin’ireo fiara fitaterana nihazo ny Coliseum, izay nitatitra olona 40 hatramin`ny 50 isaky ny fokontany. « Hajao ny safidim-bahoaka » no hita teny amin’ ireo sorabaventy sy T- shirt nozaraina tamin’ireo olona nantsoina sy nokaramaina. Sora-bola 5.000-30.000Ar no heno fa nozaraina teny an-toerana nandritra ny tontolo andro. Tamin’ny 12 antoandro, nanomboka ireo kabary politika nifanesy nataon’ireo depiote sy loholona teny an-toerana. Mahay tokoa ny parlemantera HVM raha seho ivelany sy fampandriana andrisa laroina kabary tsara lahatra manambaka ny olona mihitsy. Samy nanao izay ho afany nandresy lahatra ireo olona nokaramaina mba hanohina ny HVM ireo rehetra nandray fitenenana. Tsy ampy ora iray akory dia betsaka tamin’ireo olona naharay vola sy kojakoja nozaraina teny an-toerana no nandao avy hatrany ity toerana ity, fotoana fohy taorian’ireo kabary politika nifanesy. Anisan’ny tonga nanatrika sy nanatevin-daharana ny hetsika teny Atsonjombe ireo ben’ny tanàna voafidy manerana an’i Madagasikara. Ny ankamaroany tsy mahafantatra izay anton-diany akory fa fivoriambe no nolazaina taminy. Tsy nahafeno ny Coliseum mihitsy ny antoko HVM na dia nisy ireo olona nohafarana avy any amin’ny faritra aza. Midika ve izany fa mahay maka lesona amin’ny zava-nisy teo aloha ny Malagasy ? Mila fanovana araka ny tenin’ny besinimaro ny vahoaka na eo aza ny fanambazana vola. Voaporofo izao fa tena reraka tanteraka ny antoko ary iny angamba ny fampisehoana farany hataony mialoha ny fifidianana. Iny koa angamba ny lanonana fanaovam-beloma amin’ny samy mpikambana amin’ny antoko HVM. Niharihary ny fitakian’ny vahoaka ho an’ny fanovana nandritra ny famorian’ny antoko HVM ny olony teny Atsonjombe.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.