Politique

HVM sy ny tariny Tsy fay fahafaham-baraka ?


  • Alakamisy 24 Mey 2018

Efa nitsefotra ny diaben’ny fisandratana tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina tamin’ny 8 aprily na dia nalaza aza hoe nizarana zavatra ireo nanotrona.

Niharihary koa fa voamaina sy fotsimbary fotsiny no nahamaika ireo vahoaka tonga teny an-toerana ihany, herinandro lasa izay. Ny mahagaga anefa dia mbola sahin’ny fitondrana HVM sy ny tariny ihany ny haneho hery etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ny sabotsy izao entina hamonoana ny tolon’ny fanovana tarihin’ireo depiote 73 etsy amin’ny 13 mey. Ny talata teo moa dia niely ny vaovao fa efa mandeha amin’izao ny fizarana vola ireo ben’ny tanàna manerana ny nosy mba hiakatra hanampy ireo mpamono afo eto Antananarivo ka hampijolofotra ny hetsik’ireo depiote 73 amin’io fotoana io. Nanamafy ny depiote Hanitra Razafimanatsoa fa efa fitadiavana lojikam-pifandonana ity kasain’ny HVM hatao ity ary dia tsy ho tompon’andraikitra amin’izany ny mpitolona sy mpitari-tolona etsy Analakely. Tsy mbola fay ny fahafaham-baraka efa nahazo azy hatramin’izay ve ny HVM ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT