Politique

HVM sy MAPAR Izay vao ho rombo


  • Sabotsy 08 Septambra 2018

Mitsimbadika amin’izay ny tantara ankehitriny amin’ny fitantanana ny firenena taorian’ny fametraham-pialan’i Hery Rajaonarimampianina halina iny.

 

 Niandry fatratra an’io i Andry Rajoelina sy ny ekipany ary toa niainga avy any ny fanerena, tahaka ilay fivoizana fitsofana anjomara omaly tamin’ny 12 ora antoandro, izay tsy nisy mpanaraka aloha tamin’ny ankapobeny. Faly sy mibitaka ry zareo satria niala ihany i Hery Rajaonarimampianina, ka dia ho tompon’ny tanàna amin’izay, hono, ny MAPAR. Mety hanomboka eto anefa ny gidragidra satria tsy hipetra-potsiny ny HVM. Raha ny fahitana azy, karazan’ny efa manana fahatokisana ny ekipan-dRajoelina fa handeha mora foana ny kajikajy politika satria Atoa Ntsay Christian, praiminisitra notendren’izy ireo no sokajiana ho manana ny fahefana be indrindra eto amin’ny firenena na eo aza i Rivo Rakotovao misahana vonjimaika ny asa aman’andraikitry ny filoham-pirenena. Ny MAPAR no ho tompon’antoka amin’izay filaminana na fikorontanana eto amin’ny firenena. Mety ho tonga hatrany amin’ny fifanipazana hoditr’akondro anefa ity raharaha ity satria ny HVM amin’ny alalan-dRakotovao dia tsy maintsy hanao ny kajiny ihany koa, ary mba efa niomana fa tsy hanaiky mora fotsiny eo akory. Mbola zavatra hafa miandry rahateo ny raharaham-pitsarana amin’ny 11 septambra momba ny fitoriana mitaky ny fanafoanana ny fifidianana, izay efa in-droa nihemotra ny famoahana didy. Ny hery politika miara-dia amin’ny amiraly Ratsiraka etsy an-daniny mbola mitaky ny hisian’ny tetezamita iraisana, ka mila ravana ny governemanta Ntsay Christian. Misafotofoto ny raharaha ary ahiana ny tombo politika.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT