Tsy namaly mazava mikasika ilay baiko niainga avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika ny tokony handinihana na tsia ilay tolo-dalàna fanoloana ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita ny talen’ny kabinetra Rabary Njaka Henry.
Nambarany tsy ampisalasalana kosa anefa fa manohitra ny fandravana ny CENI-T ny Hery Vaovao ho an’i Madagasikara amin’ny maha-sekretera jeneralin’ity antokon’ny mpitondra ity azy. Mitondra mankany amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny fametrahana rafitra vaovao hiandraikitra ny fikarakarana ny fifidianana mialoha ny kaominaly amin’ny volana jolay 2015. Voasoratra ao anatin’ny tondrozotra rahateo ny mbola tokony handraisan’ny CENI-T an-tanana ny fanatontosana ny fifidianana mpanolotsaina sy Ben’ny tanàna. Manohana kandida Ben’ny tanàna mivoy ny fampivondronan-kery ho fampiharana ny fampihavanam-pirenena ny HVM raha nanazava ny tsy nanoloran’ny ny antoko mpifaninana eto Antananarivo Renivohitra ny sekretera jeneraliny.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.