Politique

HVM Lasa antoko tsy misy lohany


  • Talata 14 Aogositra 2018

Nangingina sy tsy hita izay akon’ny Kongresy nataon’ny antoko HVM tany Antsiranana ny 10-11 aogositra lasa teo.

 

Nambara nandritra ny fialan’i Rivo Rakotovao tsy ho filoha nasionaly ny 27 aogositra lasa teo teny amin’ny Hotely Carlton Anosy anefa, fa hisy zavatra goavana havoaka. Niandry ny rehetra amin’ny haha ofisialy ny filatsahan-kofidian’ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina, saingy tsy niseho aloha izany. Ny heverina ho lehibe, dia ny hoe i Mohamed Rachidy no voafidy ho sekretera jeneraly nasionalin'ny antoko HVM, izy no misolo ny toeran'i Rivo Rakotovao. Tsy misy filoha nasionaly izany ity antokon’ny filoha am-perinasa ity amin’izao. Mahagaga sy mahalasa saina ihany hoe ao anatin’ny fotoan-dehibe hiatrehana ny fifidianana no tsy misy ny tena lohany, raha dinihina fa ity sekretera jeneraly ity izany no hiandraikitra sy handrindra ny antoko. Tsikaritra hatry ny ela fa toa efa mikorontana tanteraka ity antoko notarihin-dRivo Rakotovao, izay efa miandrandra mafy ny hahazo ny toeran’ny filoham-pirenena ato ho ato. Ny fandrindrana ny antoko aza anefa tsy vitany, ary maro no mihevitra, indrindra fa ireo tao anaty antoko fa ny filoha nasionaly teo aloha no tena poizina ho an’ny antoko sy ho an’ny filoha mihitsy aza. Asa izay hafitsony raha ho lasa filoha eo, fa raha ny siosion-dresaka aloha, dia mety amin’ny faramparan’ity herinandro ity no handrotsaka ny taratasy firotsahan-kofidiany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT