Politique

HVM Atsimondrano Finganina sy hankahalaina ny filoha Rajaonarimampianina


  • Alakamisy 04 Jona 2015

Tahaka ireo fikambanana politika sy olon-tsotra maro eto amin’ny firenena dia nanao fanambarana koa omaly, teny Ambohijanaka, ny antoko HVM avy eny Atsimondrano izay ahitana kaominina 26.

 

 

Nanambara nahitsy ry zareo miezaka mijery ny fiainan’ny vahoaka sy miroso amin’ny fampandrosoana marina ny filoha Hery Rajaonarimampianina ka misy karazana olona te hanakorontana fotsiny marindrano izao. Manoloana ny toe-java-misy amin’izao fotoana izao dia nanambara ireto Hvm Atsimondrano ireto fa avelao ny Fitsarana Avon’ny Lalàmpanorenana no handray ny fanapahan-kevitra hendry avy amin’izy ireo satria tsy fotoana fambolena korontana intsony izao noho isika vao nivoaka ny krizy ka ny miaraka no mahalasa lavitra. Nampahatsiavin’ireto mpanao politika ireto fa efa manakaiky antsika ireo firenena mpamatsy vola amin’izao fotoana izao ary azo antoka fa manana fitokisana lehibe antsika izy ireo matoa niverina amin’ny fifampiresahana. Mampalahelo fa ataon’ny sasany ho amin’ny tombontsoany ny lalàmpanorenana. Izany no tsy hisalasalanay Hvm Atsimondrano milaza fa tsy maintsy mihetsika ny filoha eo anatrehan’izany ho tombontsoan’ny vahoakany.  Raha ny tena marina dia afaka mampihodina tsara ny raharaham-panjakana sy ny raharaha politika ny andrim-panjakana misy ankehitriny ka inona indray no mahamaika ny sasany hanoloana azy ireo ? Tokony hampiasa ny fomba demokratika nahalany azy ireo solombavambahoaka ka hiverina hanontany ny olona amin’ny alalan’ny “vote de confiance”   ka raha sendra misy tsy fahalanian’ny vahoaka azy amin’io toerana hiadidiany io tokony hanana fahendrena izy hanala tena fa tsy hanao kilalao hanala filoham-pirenena. Efa tena trotraka sy leon’ny politikan’ny fitiavan-tena ny rehetra ka aoka mba samy handini-tena.  Raha toa ka tsy mitondra fitoniana ny solombavambahoaka, hoy ny Hvm Atsimondrano, dia mangataka izahay vahoaka Atoa filoha hohajaina ny hanatanterahana tsy misy hatak’andro  ny fanatanterahana ny fehin-kevitra izay naroson’ireo mpizaika isam-paritra nandany izany mba hisian’ny fitoniana ara-politika.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT