Politique

HVM Ankadikely Miezaka manarina izay simban’ny orana


  • Talata 31 Martsa 2015

Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanarenam-pirenena ataon’ny filohan’ny Repoblika dia manolo-tanana azy ny mpikambana amin’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara eny Ankadikely.

 

  Ny  sabotsy lasa teo ary ankoatr’ireo fanarenana ny sekolim-panjakana ambaratonga voalohany rehetra  ao anatin’ny kaominin’Ankadikely, izay mahatratra 18 isa, dia mandray anjara amin’ny fanadiovana ny tanàna  amin’ny alalan’ny fanalana ireo fako mitoby eran’ny fokontany eny an-toerana ny  antoko izay tarihin’Atoa Ravelonanosy Bruno mponina ao Ankadikely ihany. « Ezaka ara-tsosialy efa nampanantenaina ny mponina izao atao izao. Izay  vao afaka manao azy satria izay vao tapitra ny orana sy ny ranobe “, hoy ity farany raha nametraka ny fototry ny efitranon-tsekoly vaovao  teny amin’ny EPP Ambohipanja ny  tenany. Manaraka izany mba ho  fanalana ny fahasahiranan’ny mponina eny an-toerana amin’ny  fitohanan’ny fifamoivoizana dia hamboarin’Atoa Ravelonanosy Bruno ihany koa ny lalàna 3 km izay mampitohy an’Ambohitrarahaba sy Antanandrano.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT