Tsy mitazam-potsiny ny mpiray firenena hiharan’ny hetraketraky ny natiora araka ny fanombanan’ny maro azy toy ny teo aloha ny antoko HVM fa mihetsika mijery ny mpiara-belona ankehitriny, hoy ny delege kaominaly Hvm eny Ankadikely, Ravelonanosy
Andriantefy Bruno na Bati, ka tonga nijery ireo traboina niisa 80 noho ny fiakaran’ny rano teny amin’ny fokontanin’i Belanitra sy teny Antanandrano niisa 110 ka nitondra ny tsirambin’ny tanana toy ny vary, menaka, tsaramaso, menaka, sira sy savony natolotra azy ireo. Izany moa dia taorian’ny fifampiharahabana nahatratra ny taona vaovao 2015 nifanaovana tao amin’ny HVM Ankadikely Ilafy niarahana tamin’ny avy amin’ny mpitantana ny distrika HVM Avaradrano sy ireo birao vonjimaikan’ny antoko eny Ankadikely izay efa misandrahaka eny amin’ny fokontany 18 eny amin’ity kaominina ity. Tsy hijanona amin’ny fanomezana ny tsirambin’ny tanana ny traboina tahaka izao fotsiny ny fijerena ny sosialim-bahoaka ataonay HVM ety Ankadikely Ilafy, hoy i Bati, fa ho tohizana amin’ny fanampiana mivantana ny mponina mihitsy amin’ny fanomezana azy ireo ny fitaovana sy asa mahavelona hiatrehana ny andavanandrom-piainana mba hialana amin’izao fahasahiranam-bahoaka mahatonga ny krizy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.