Notontosaina tao Ambositra ny sabotsy 22 novambra lasa teo ny fametrahana ny fototry ny ny antoko HVM ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania
Ireo birao hitantana ny distrika Ambatofinandrahana, Fandriana, Manandriana ary Imadiala ihany anefa no tafatsangana fa miandry amin’ny fotoana manaraka ny an’ny distrikan’Ambositra. Tonga tany Ambositra nametraka ireo birao ireo ny filohan’ny antoko Rivo Rakotovao niaraka tamin’ireo minisitra maromaro mpikambana ao amin’ny birao nasionaly notarihin’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika Rasoazanera Maria Monique.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.