Politique

HVM Alaotra Difotry ny olana sy ny disadisa


  • Alakamisy 11 Desambra 2014

Marefo ary tsy mety manana fototra ny antoko HVM, indrindra ireo any anivon’ ny faritra. Mitohy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny lafiny

fanitarana ny rantsamangaikan’ny antoko. Ireo lohandohany nandritra ny fampandaniana ny filoha ankehitriny dia lasa nisintaka tsy andrenesam-peo amin’izao fotoana izao. Ireo nahazo toerana moa etsy an-daniny tsy mitovy tarigetra fa ao ny mianatsimo  ary misy ny mianavaratra. Ho an’Alaotra Mangoro manokana dia hita mivandravandra io disadisa anatiny eo amin’ny mpiray donakafon’ny antoko HVM io. Mirehareha ny sasany fa akaiky ny filoha nasionaly ny antoko ka manao tsinontsinona ny hafa. Io ilay aretina nahazo ny ankamaroan’ny mpanao politika hatramin’izay ka tsy mahagaga raha levona ho azy izy ireny aty aoriana. Zary adinony fa mandalo ny toerana fa ny fiarahamonina mitoetra hatrany. Tsikaritra fa manomboka miala amin’izy ireo ny fahatokisana ny vahoaka. Ireo fampanantenana rahateo tsy misy tanteraka hatreto. Ankoatra ny delestazy izay mampitaraina ny rehetra dia ambatobevohoka lava izao ny lalam-pirenena faha-44. Mila vahaolana ny mponina Alaotra saingy mbola difotry ny disadisa anatin’ny antokony ny mpitondra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT