Politique

Hosoka tamin’ny fifidianana Mbola sahy manadio tena ihany ny CENI


  • Zoma 28 Desambra 2018

Nandritra ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana filoham-pirenena vonjimaika omaly no nanambaran’ny filohan’ny CENI Hery Rakotomanana fa tsy nanana solotena teny amin’ny biraom-pifidianana rehetra ny CENI, satria tsy tondroin’ny lalàna sy maintsy hanao izany izy.

 

 

 

 

 Nambarany ihany koa tamina fomba firesaka miendrika esoeso ihany fa nangatahana ny fitsirihana ny rindram-baiko, nisy ny fampitahana ny fitanana an-tsoratra ka natao izany .Aza izahay CENI no omena tsiny, aoka izay ny fanakianana ny CENI, hoy i Hery Rakotomanana izay nampiseho ny maha mpisolovava azy mihitsy omaly ka niaro fatratra ny ekipany no sady nanadio tena.Miantso ireo kandida 2 hiresaka sy hifanantona, izy  malahelo izahay hoe tsy eto ny filoha Marc Ravalomanana, hoy i Hery Rakotomanana.Ampangino ny hambom-ponareo manokana noho ny tombotsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy 24 tapitrisa ka aleo mifampiresaka sy mifandamina, hoy izy raha nanome hafatra ireo kandida roa mpifaninana.Tena ho zava-doza raha mbola hiditra amina krizy indray ny firenentsika, hoy i Hery Rakotomanana.Ny adinony kely fotsiny dia tsy afa-miala amin’ny fomba fiasa tandrevaka, na mety efa niniana natao mihitsy aza ka nampiparitaka ny bileta tokana tetsy sy teroa ary nahatonga ny hosoka sy hala-bato mara-penitra nandritra ny fifidianana Filoha natao teto ny CENI.Bileta tokana nambara tany am-piandohana fa tsy maintsy misy laharana famantarana, kanefa inona akory no teo..mbola tsy resahana ny tranga hafahafa momba ny lisi-pifidianana satria na ny olona maty aza dia nisy nanasonia fa hoe nifidy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT