Politique

Hosoka ara-pifidianana Andrasana izay hafitsoky ny fitsarana


  • Alakamisy 20 Desambra 2018

Tsy takona nafenina ny karazana hosoka sy teti-dratsy maloto tamin’ny fifidianana, izay nisy ny tsy tanteraka fa misy kosa ireo mety tontosan’ireo olon-dratsy. Nisy hatramin’ny fitifirana ka nahafaty olona roa tao amin’ny Birao fandatsaham-bato iray tany Ankazoabo Atsimo.

 Hentitra ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana nanoloana ireny toe-javatra ireny, toy ilay fangalarana bileta tokana niseho teny Ambohipo omaly, ary nanamafy fa tonga dia handeha fitsarana ny raharaha. Ny fitsarana izany no ho tompon’ny teny farany amin’ireny hosoka ireny satria ny hany fahefana ananan’ny CENI manoloana ireny fandikan-dalàna samihafa ireny dia: mametraka fitoriana eny amin'ny manam-pahefana, manao famotorana. Tsy manana fahefaha hisambotra, hitsara, hanasazy ny CENI manoloana tranga tsy fanarahan-dalana. Ny fiaraha-miasa amin'ny manam-pahefana mahefa no azony atao. Malalaka amin'ny fametrahana fitoriana manoloana ny tranga tsy fanarahan-dalàna mifandraika amin'ny raharaham-pifidianana kosa ny olom-pirenena. Isan’ny tena endrika nisehoan’ny hosoka ny fampiasana kara-panondro sy kara-pifidianana hosoka. Ny fampiasana ireny kara-panondro hosoka sy kara-pifidianana hosoka dia mety ampigadra mandritra ny 10 taona an-tranomaizina sazy mihatra na fanaovana asa an-terivozona araka ny andininy faha-147 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana. Ireo mpiasam-panjakana kosa dia migadra mandra-pahafaty araka ny andininy 145 ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana ihany, ary mitovy ihany ny sazy ho an’ny mpiray tsikombakomba mampiasa izany. Tsara ihany koa ny mampahafantatra fa iantohan’ny fanjakana ny tsy fitanilan’ny fitantananan-draharaham-panjakana toy ny eo ny tafika, ny fampianarana, ny fitsarana,… raha ny voafaritry ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana. Niaraha-nahita ny fijoroana vavolombelona, toy ny nataon’ny lehiben’ny distrikan’i Manjakandriana sy Tanambao Manampotsy, izay nilaza mazava fa nisy ny baiko hampandaniana ny Kandida faha-13. Efa miasa moa ny vondrona mpahay lalàna na ny “legal team” ho kandida, ary efa niasa hatry ny ela izany ho an’ny kandida Marc Ravalomanana satria ireo ekipa mpahay lalàna ireo no mamolavola ny fitoriana samihafa halefa eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana roa andro fara-fahatarany aorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana vonjimaikan’ny CENI.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT